FIZAHAN-TOETRA!


« Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina mba ho voazaha-toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. » Apok 2:10

Eo amin’ny fiainana neken-tsika arahina, ho sampana miray amin’Ilay fotoboaloboka dia indraindray misy zava-tsarotra mitranga eo amin’ny fiainantsika, ary mety hametram-panontaniana isika hoe: maninona no mitranga amiko izao? Inona ary ny ota nataoko no manjo ahy izao zava-tsarotra izao? Ny fizahan-toetra dia zava-tsarotra miseho eo amin’ny fiainantsika, ary amin’ny tenin’Andriamanitra dia hanambarana hoe zava-tsarotra nataon’ny devoly, dia ny hanao ny sasany ao an-tranomaizina. Ny devoly no nanao azy, nefa Andriamanitra namela mba hizahan-toetra ny olon’Andriamanitra. Ny olon’Andriamanitra tsy hoe tsy tian’Andriamanitra fa tiany tokoa, kanefa avelany hisy ny fizahan-toetra.
Fa inona marina no entin’ny fizahan-toetra?
– Raha tsy miorina tsara amin’ny finoana an’Andriamanitra ny olon’Andriamanitra dia mety hiditra amin’ny famoizam-po! Ilaina ny fitoerana amin’ny Finoana ny Tompo!
– Maro ireo zavatsoa ateraky ny fizahan-toetra: Faharetana. « Fantatrareo fa ny fizahantoetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. » Jak 1:3. Fankalazana. « Satria ny fizahan-toetra anareo no ankalazany an’Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazan-tsaran’i Kristy. » II Kor 9:13.
Mety ho maro ny vokatsoa ateraky ny fizahan-toetra fa ireo no notanisaina. Raha sampana tsy maharitra miray amin’ny fototra isika dia malazo ka ho faty aza. Raha ho tonga aza ny fizahan-toetra dia aoka isika tsy ho malaina amin’ny firaisana amin’ny Tompo, fa izany ihany no hahatanantsika ny aintsika!

Hampahery antsika anie ny Tompo Jesosy!

Feon’ny Filazantsara

‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :