NOVELOMINY:


“Ary hianareo dia novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,” Efesiana 2:1

Ny Soratra Masina dia manambara mazava fa fahafatesana no tambin’ny ota, izany hoe ratsy tokoa ny vokatry ny ota: FAHAFATESANA. Ny fahadisoana moa dia mifanakaiky amin’ny ota ihany. Ny atao hoe fahotana dia fandikana ny didin’Andriamanitra amin’ny fivavahana kristiana.
– Miteraka fahatezeran’Andriamanitra ny fahotana!
Tsy tian’Andriamanitra ny fahotana, halany ny fahotana, ary voalaza ao amin’ny Soratra Masina fa hanitsakitsaka ny fahotantsika Izy: Hamindra-fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika,- «eny arianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra!» Tsy hitsahin’Andriamanitra fotsiny ny fahotana fa hitsakitsahiny avy eo ariany any amin’ny ranomasina lalina. Mariky ny tsy fitiavan’Andriamanitra ny fahotana izany. Manao ahoana ary ny fihetsikintsika eo anatrehan’ny fahotantsika sy fahadisoantsika. Isika kosa, sao dia mbola miloloha izany fahotana izany, nefa Andriamanitra aza efa nanitsakitsaka izany? Aoka isika hanaiky hamindrana fo rehefa mamindra-fo Andriamanitra! Mipetraka eto ny olana ny amin’ny zaza. Nanota ve ny zaza? Tsy nanota ny zaza fa nandova ota.
Koa maty ve izy sa tsy maty? Maty ihany izy noho ny fahotana efa ankoditra, fahotana izay nolovainy. Izay ateraky ny nofo dia nofo fa izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Jaona 3:6. Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. «Indro tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torotoronina ahy ny reniko.» Salamo 51:5 Nateraky ny nofo ny zaza, tsy maintsy ateraky ny rano sy ny Fanahy izy vao mahazo miditra ny fanjakan’Andriamanitra! Asakasak’ireo ray amandreny tsy manaiky mba ateraky ny rano sy ny Fanahy ny zaza!
– Andriamanitra ta hamelona antsika: isika mbola matin’ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika iny mihitsy, tsy te hiandry antsika hoe efa tsara, na hoe efa velona, fa iny maty iny mihitsy isika no naneho ny famindrampony Izy, isika mbola nandeha tamin’ny làlan’izao tontolo izao sy ny fomban’izao tontolo izao araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny amin’ny zanaky ny tsy-fanarahana. Ta hamonjy antsika Andriamanitra!
– Hoy ny Soratra Masina milaza hoe: Raha hoy isika, Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
– Miantso antsika Andriamanitra handray ny famindrampony. Ny Zanany efa nafoiny, dia i Jesosy Kristy mba hitondra famonjena ho antsika! Izy ilay fahasoavana hamonjena antsika!
– Tsy ho avy hiantso ny marina Izy, fa ny mpanota hibebaka!
Koa izay mahatsiaro ny tenany ho tsy marina no antsoiny hohamarinina, tsy ho avy hiantso ny marina Izy. NY MPANOTA TE HIVERINA AMIN’ANDRIAMANITRA NO TIANY, ary hanitsakitsaka ny fahotan’izany olona izany Izy.

Ny Tompo anie hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: