Fanolorana diplaoma ho an’ireo mpianatra nahavita ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI)

“Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao” Apokalypsy 3:11b Misaotra an’Andriamanitra fa dia nisy 17 mianadahy mianaka indray no nahavita FSMI na ny “Cours Biblique par Correspondance” atolotry ny Feon’ny Filazantsara (FF) tao amin’ny FJKM Isoavina Fihavaozana (SPAA 12) izay iandraiketan-dRtoa Rakotomalala Nivomboahangy, Mpitandrina. Ny Alahady 05 Jolay 2015 nandritra ny fotoam-pivavahana […]