AZA MITSARA!


“Aza mitsara, mba tsy ho tsaraina hianareo, Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.” Matio7:1-2a

Eo amin’ny fiainana andavan’andro, dia sarotra tokoa ho an’ny olona ny miatrika izany fitsarana izany. Eo amin’ny fiainana maha kristiana, dia izao raràn’i Jesosy Kristy izao ny fitsarana ny olon-kafa! Ny Epistily ho an’ny Romana 3:12b “Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza.” Raha izao teny izao no heverina dia rariny tokoa ny tsy famelan’ny Tompo ny olona hitsara ny rahalahiny. Ny tena aza tsy tsara koa atao ahoana no hitsara ny hafa? Raha mitsara ihany, dia izany no atao hoe mandrora mitsilany, sady manameloka ny tena rahateo eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fandikana ny Teniny. Rehefa diso ny olona iray dia mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, izay hany tsara. Koa ny olona izay te hitsara aza mila famelan-keloka, ataony ahoana indray moa no hitsara ny hafa? Ny famitahana mantsy dia izao: misy olona mihevitra ny tenany tsy ho tahaka ny olona tsarainy fa mahavita na manao ny tsara kokoa, kanefa ny Teny dia manambara fa tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. Tena sarotra tokoa ho an’ny olona izany ny maka ny toeran’ny mpitsara. Na andry eo amin’ny maso, na sombin-kazo eo amin’ny maso dia efa samy manditsoka avokoa ka samy ratsy ary samy mila esorina avokoa. Koa raha tafalatsaka amin’ny fitsarana ny hafa isika dia mety manidy ny famelankeloka tokony ho antsika, ary satria mety ho very any amin’ny helo, satria manambany ny famelankeloka avy amin’Andriamanitra. Ny Tenin’ny Tompo dia manamafy fa: «Fa famindram-po no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-drà ary fahalalàna an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana” Hosea 6:6. Koa raha tafalatsaka amin’ny fitsarana isika dia andeha hifona amin’Andriamanitra, ka ho tia famindram-po, mba tsy hihidy ho antsika ny famelan-keloka sy ny famindrampon’
Andriamanitra!

Ny Tompo Jesosy anie hampahery antsika. Amen!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: