Collège sy Lycée Privé Amy Fiderana Ankadivoribe


Nofaranana tamin’ny fiarahana nijery horonan-tsarimihetsika ny taom-pianarana.

Ny Feon’ny Filazantsara (FF) dia mitondra ny anjara birikiny. mandrakariva, eo amin’ny asa Fitoriana ny Filazantsara anivon’ny Sekoly. Ho famaranana ny Taom-pianarana 2014-2015 àry dia nanasa ny FF ny Collège Privé Amy sy ny Lycée Privé Amy Fiderana izay mpiara-miasa amin’ny FJKM Ankadivoribe Famonjena ny handefasana horonan-tsarimihetsika. Tontosa soa aman-tsara ny Alarobia 15 Jolay 2015 izany ka horonan-tsarimihetsika miisa telo no nalefa dia: “Ilay Mpiandry ondry kely” ho an’ireo ankizy madinika notronin’ireo ray aman-dreniny; “Ilay olon-tsy fantatra” sy “Ny isan’andro iainantsika dia fanomezana” kosa no nalefa ho an’ny zatovo . Ny fanirian’ny Talen-tsekoly Rtoa Rasoaharivololona sy ny FF moa dia hahazoan’ny mpianatra rehetra ny hafatry ny Baiboly amin’ny alalan’ireo horonan-tsarimihetsika ho an’ireo mpianatra sy ny ray aman-dreniny, alohan’ny hisarahana amin’izao fotoam-pialantsasatra izao. Marihina fa efa maro ireo mpianatra ao amin’ity Sekoly ity no manaraka ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI) atolotry ny FF.

DSC_0804 DSC_0819
Collège Privé Amy sy ny Lycée Privé Amy Fiderana Atoa Jaona Martin, Staff FF niandraikitra ny fandefasana ny horonan-tsary
DSC_0816 DSC_0813
DSC_0832 DSC_0837
Ny Talen-tsekoly nisaotra ny FF Rtoa Tale, ireo Mpampianatra sy Atoa Jean Fidèle “Mpiara-miasa an-tsitrapo FF” nanagona ny FSMI avy amin’ireo mpianatra.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: