Fiaraha-miasan’ny Firaisan’ny Fifohazana Loterana Malagasy (FIFIL) sy ny Feon’ny Filazantsara


“Fantatro izay inoako” 2 Timoty 1:12

Ny Synodam-Paritany Menabe (SPM) no nampiantrano ny Zaikabe faha-6 n’ny FIFIL tany Morondava ny 4-09 Aogositra 2015 lasa teo. Tsiahivina fa fotoan-dehibe iray ho an’ny Sampana Fifohazana eo anivon’ny Fiangonana Loterana izay tanterahina isaky ny 3 taona izy ity. Ny teny Faneva nampitondraina ny Zaikabe dia ny hoe: “Fantatro izay inoako” 2Timoty 1:12. Nandray anjara fitenenana tamin’izany, ho fampahafantarana sy fanentanana mikasika ny Feon’ny Filazantsara sy ireo programan’asany ary ny fiaraha-miasa azony atolotra ho an’ny rehetra ny Feon’ny Filazantsara. Atoa Louis Rakoto Rabehajaina, tompon’andraikitry ny programa no nisolo tena ny FF tamin’ny fandraisam-pitenenana, ka tamin’izany no nampahatsiahivana indray ireo fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny FF sy ireo Synodam-paritany marobe nanomboka tamin’ny taona 2000 ka hatramin’izao taona 2015 izao. Teo ihany koa ny fanamafisana indray ireo fiaraha-miasa azo atsangana amin’izay maniry izany (Fiangonana, Sampana, kristiana). Nisy moa ny “Stand” izay niandraiketan’ireo solon-tenan’ny FF, nentina nampirantiana ireo fitaovam-pifandraisana na “media” ampiasainy ka nahafahan’ireo mpivory marobe nahafantatra bebe kokoa ny momba azy. Nisy ihany koa ny dinidinika sy tafatafa nifanaovana tamin’ireo raiamandreny Pastora manam-paniriana hiara-miasa, ary koa nanaovana jeri-todika ny asa niarahana tamin’ireo Fiangonana efa Mpiara-miasa hatramin’izay. Nahatratra 1 300 ireo “brochures” nozaraina maimaimpoana tamin’ireo olona tonga nitsidika ny “stand”.
Naharitra 6 andro moa ny fivorian’ny mpizaika avy amin’ny faritra rehetra manerana an’ny Madagasikara.

DSC_1073 DSC_1076
DSC_0963 DSC_0979
DSC_0027 DSC_1008
DSC_1013 DSC_0877
DSC_0910 DSC_1002

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: