AVY AMINAO NY HARENA SY NY VONINAHITRA.


“Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany… tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna hianareo” Lioka 16:13

Raha ny amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia maro ny zavatra mampanompo ny olona tsirairay avy. Raha ny teknolojia no resahina, ka singanina amin’izany ny fivoarana eo amin’ny solosaina sy ireo izay momba azy, ary ao anatin’izany ny jeux na kilalao isan-karazany. Misy mahavita milalao azy io hatramin’ny maraina mandra-kalina, ary dia tsy mahatsiaro sakafo mihintsy aza. Tena mahavita mampanompo olona tanteraka io zavatra iray io. Ao koa ny loka isan-karazany, toy ny Ramy, na Loto ary misy aza ny vehivavy tsy mahakarakara tokan-trano intsony fa andevozin’izany loka izany. Tsy ny vehivavy ihany anefa fa eo koa ny lehilahy. Tsy voatanisa eto ireo zavatra azon’ny olona tompoina fa santionany ihany ireo! “Ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany” Tonga teto antany isika tsy nitondra na inona na inona, ary raha hiala eto tsy hahatondra na inona na inona koa! Andriamanitra no namorona izao rehetra izao, ary Azy izao hita maso rehetra izao. Nefa Izy dia nanao antsika hanjaka amin’ny zava-boahary rehetra, ary hanjaka na dia amin’ny vola izay nataon’olombelona ihany koa aza, na ny amin’ny zavatra rehetra hafa toy izany. Raha teren’ny filantsika tsirairay avy isika dia voatarika hanadino ilay tena fototry ny zavatra rehetra dia Andriamanitra. Mahay manajamba ny masontsika ny devoly mba tsy hahita Ilay Andriamanitra Mpanjakan’ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita. Mila mitady vola isika, mila miasa isika, fa izany anefa dia mbola eo ambany fahefan’Andriamanitra! Voalaza fa ny hatsembohan’ny tavantsika no hihinanantsika! Marina izany, nefa koa tsy tokony hohadinoina fa Andriamanitra no Tompon’ny zavatra rehetra. Ny devoly dia mamitaka ka misandoka ho tompony. Avy amin’Andriamanitra ny harena sy ny voninahitra araka izay voalaza ao amin’ny I Tantar a 29:12. – Ho voninahitr’Andriamanitra izay rehetra ataontsika fa tsy fanalàm-baraka Azy, ary ny fanomezantsika voninahitra Azy no hanomezany fitahiana ho antsika! Ny fahasalamana entintsika manantanteraka ny asa dia mbola avy Aminy. Koa na dia ny vokatra azo avy amin’izay fisasarana aza dia hanomezantsika voninahitra Azy. Koa raha nanao ny zavatra hafa mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra, na sanatria azon’ny fanahiana, na azon’ny fahihirana isika dia aoka hifona Aminy kosa ary hiverina amin’Ilay Fitiavana Voalohany. “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavana voalohany hianao” Apokalypsy 2:4. Mibebaha ka miverena amin’Andriamanitra! Ny Fitiavana an’Andriamanitra no fitiavana voalohany!
Ny Tompo Jesosy anie hampahery antsika!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: