TEMPOLIN’I JEHOVAH!


“Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah, tempolin’i Jehovah ity. Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny làlanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin’ny olona amin’ny namany ianareo, ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, dia amponeniko amin’ity tany ity ihany hianareo.” Jeremia 7: 4-7a

Ny teny hoe “ecclesia” dia avy amin’ny teny grika entina manambara ny fiangonana, ary manambara fiantsoana, ka avy any ivelany no antsoina. Ny olon’i Jehovah Andriamanitra dia olona voaantso; nefa tena mitoetra amin’izany fiantsoana izany marina ve? Tokony ho tia azy amin’ny fo rehetra sy ny saina rehetra, ary ny hery rehetra. Ary manatanteraka izany amin’ny làlany rehetra izy, sy ny ataony rehetra. Raha izay ambara eto anefa, ny olona dia mety tsy ho mitsara marina ny adin’ny olona, ao koa aza ireo sahy mampahory ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, Mandatsaka rà marina! Ary ny tena mahatonga loza koa dia ny manaraka andriamani-kafa. Ny zava-misy tamin’ny andron’i Jeremia moa dia ny fanjanahantany nataon’ny fahavalo ny zanak’Isiraely, ary nisy ny fanaovana sesitany. Tsy nonina tamin’ny taniny ireo natao sesi-tany! Misy hevitra fonosin’ny tsy famponenana amin’ny tany ny olony raha izao teny izao no jerena; dia satria misy tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ny ataon’ny olony. Mampieritreritra tokoa izao teny izao raha itodihana ny amin’ny firenentsika, ka tokony hiverina handinika tsara isika tsirairay avy. Ny tena zava-doza dia ny fialàna amin’i Jehovah Andriamanitra, noho ny fo ratsy tsy mino! Tonga mafy fo! Mafy fo noho ny ota! Hoy ny tenin’ny Tompo amintsika anio: aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny andro fahasosorana. Raha te hiverina amin’i Jehovah Andriamanitra isika dia ho raisiny indray. Raha nanao ireo ota nampaha-tezitra ny Tompo isika ka mibebaka dia ampy hanadio antsika ny ràn’i Jesosy Kristy! Ary hiverina amintsika indray ny fahasoavany rehetra. Koa mila mihazona mafy ny fiandohan’ny fahatokiantsika Azy isika!
Ny Tompo anie hampahery antsika!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: