FAMELAN-KELOKA, FIAINANA MANDRAKIZAY.


“Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra” Matio 23:12

Mety hanakana antsika tsy hiaiky heloka ny zavatra vitantsika na ny ezaka ataontsika samirery, ka mahateny isika hoe: izaho nanaraka ny lalana tsara, izaho nanao ny marina; koa raha handinitena isika, dia toa tsy mahita izay fahotana natao, fa toa tsara daholo izay nataontsika. Toa afaka hiteny samirery isika hoe: nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah… koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony (II Samoela 22:21,25). Raha ny fibebahana marina dia manahirana antsika ny miteny araka ity teny eto amin’ny bokin’i Samoela faharoa ity. Ny epistilin’i I Jaona1:8 moa dia manambara hoe:”Raha hoy isika: tsy manana ota isika, dia mamita-tena ary ny marina tsy ato anatintsika. Sarotra ho antsika ny mamantatra ny otantsika ka toa mihevi-tena ho marina isika. Izany indrindra no nanjo ilay Fariseo nitsangana nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao ankeriny, tsy marina, mpijangajanga, … Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin’izay rehetra azoko aho… Ny Fanahy Masina no mpampahatsiahy ny fahotantsika, ny Fanahy Masina ihany no mahay mampibebaka marina antsika, Ny Fanahy no mifona ho antsika amin’ny fivavahana tsy azo tonononina. Mbola ny Fahamarinan’i Jesosy Kristy ihany no azontsika hitafiana. Fa ny fahamarinantsika dia tsy misy, satria tsy misy izay manao ny marina. Mila manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra isika, «Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny» (IISamoela 22:28). Fa izay manandra-tena no haetry ary izay manetri-tena no asandratra.
Ny Tompo hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: