METM Hermona Finoana Ambatobe


Alahadin’ny Feon’ny Filazantsara (FF)

Zava-dehibe ho an’ny Fitandremana METM Hermona Finoana Ambatobe izay iandraiketan’Atoa Rakotomalala Jean Jacques, Mpitandrina ny anjara biriky entin’ny Feon’ny Filazantsara ho fampandrosoana ny asa Fitoriana ataon’ny Fiangonana. Efa an-taonany maromaro mantsy no nanomboka ny fifandraisan’ny roa tonta tamin’ny alalan’ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI) sy ny fampiasàna ireo horonan-tsarimihetsika, ho fampitomboana ny finoan’ny kristiana. Ny taona 2014 koa dia nandray anjara tamin’ny Seminera Fampiofanana “Fampitaovana ny olona masina” ny kristiana enina izay solon-tenan’ny Fiangonana ary nanotrona izany ny raiamandreny Mpitandrina. Noho ireo programan’asa maro iandraiketan’ny FF, ary atolony maimaim-poana ho an’ny Fiangonana izay maniry izany dia nofidin’izy ireo ny Alahady 6 Septembra lasa teo ho Alahadin’ny Feon’ny Filazantsara. Natao indrindra moa izany hitondrana am-bavaka sy ho fanohanana ireo sehatr’asa vokarin’ny FF. Fotoana ihany koa nitondran’ny solotenan’ny FF famporisihina sy fampaherezana ireo kristiana hianatra ny Tenin’Andriamanitra satria ny Tompo dia manome toky fa: “Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” (Jaona 6:35)

DSC_0564 DSC_0556
Rakotomalala Jean Jacques, Mpitandrina Rtoa Lalao solotenan’ny FF sy Atoa Jea Fidele ‘Volontaire FF’
DSC_0560 DSC_0573
Fitandremana METM Hermona Finoana Ambatobe sy ireo Kristiana ao aminy

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: