Fiaraha-miombon’antoka Fiangonana/ Feon’ny Filazantsara


Seminera Fampiofanana faharoa ho an’ny Taom-piasana 2015/2016

Tanteraka soamantsara ny 01-02 oktobra 2015 teo ny Seminera Fampiofanana “Fampitaovana ny olona masina” teny amin’ny Fitandremana Kristy Fiainana Antanetilava (SPAA 12). Fitandremana efatra amin’ny sahan’ny FJKM moa no nandray anjara tamin’izany. Nanotrona sy nandray anjara mavitrika tamin’ny Fampiofanana rahateo ireo raiamandreny efatra dia: Rtoa Ranivoarisoa Annie Olga Viviane, mpitandrina FJKM Lohomby Fihavanana; Atoa Randrianarijaona Albert, mpitandrina FJKM Ambohitrinitsara; Rtoa Rakotomalala Fanjaniaina Malalaharisoa, mpitandrina FJKM Betela Vaovao Ampanataovana; Atoa Andriatsihoarana Joasy, mpitandrina FJKM Kristy Fiainana Antanetilava. Marihina fa ny faritra misy ireo Fitandremana efatra ireo dia irony faritra tena mbola mifikitra fomban-drazana irony. Noho izany dia nanandanja tokoa ho an’ireo mpiofana, indrindra moa fa ireo Mpitandrina ny votoatin’ny Fampiofanana, satria dia mbola mila fitaizana ara-panahy maharitra ireo mponina na dia ireo efa Kristiana aza. Laharam-pahamehana ny asa Fitoriana, be noho izany ny asa miandry. Toy ny mahazatra, tamin’ny famaranana ny fampiofanana dia nisy fanolorana “sertifika” ho an’ireo mpiofana.

DSC_0005 DSC_0052
DSC_0106 DSC_0337
DSC_0025 DSC_0180
DSC_0032 DSC_0184
DSC_0210 DSC_0221
DSC_0357 DSC_0365
DSC_0378 DSC_0347
DSC_0398 DSC_0379
DSC_0418 DSC_0389
DSC_0258 DSC_0238

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: