Fonjaben’ Antanimora


Mitarika ireo voafonja hibanjina mandrakariva an’i Jesosy Kristy

Raha tsiahivina dia tsy mijanona eo amin’ny fitaizana ny ara-panahin’ireo voafonja lehilahy sy vahivavy eny Antanimora ihany ny asa ataon’ny Feon’ny Filazantsara (FF) eny an-toerana. Ankoatra ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI) izay omena azy ireo, ny famangiana isan-kerinandro ataon’ireo mpiara-miasa an-tsitrapon’ny FF mitondra ny Tenin’Andriamanitra sy fampaherezana mantsy dia tsy adino koa ny ara-nofo: fanomezana sakafo izay iarahana amin’ireo Fikambanana hafa. Efa ho telo taona ihany koa izao no nivelatra tamin’ny lafiny fifaninanana ara-panatanjahan-tena toy ny baolina kitra ny asan’ny FF eny amin’io Fonja io. Ny fikendrena anefa dia ny hampitodika mandrakariva ireo voafonja amin’i Jesosy Kristy Tompo. Ho an’ity taona ity àry dia nandritra ny volana Oktobra no nanatanterahana ny fifaninanana teo amin’ireo voafonja lehilahy. Nisy ekipa valo ireo mpandray anjara tamin’izany ka ny Alatsinainy 26 Oktobra 2015 teo no nanaovana ny famaranana. Nandritra ny dingana am-pahefa-dàlana, manasa-dàlana ary ny famaranana dia nisy hatrany fanentanana ireo mpanatrika marobe izay nahatratra teo amin’ny 2000 ny hirosoan’izy ireo amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra izay atolotry ny FF. Faly tokoa ireo voafonja fa tsy vitan’ny nahazo fampaherezana ara-panahy ihany fa dia nahazo fialam-boly izay tena ilain’izy ireo koa.

The coaches (prisoners), LHM staff and volunteer “Ireo mpanazatra avy ao amin’ny fonja; tarihin’i Dadatoa Jeannot sy Atoa Louis solontenan’ny FF
The soccer teams Mpilalao mendrika miaraka amin’ny mpanazatra sy ny solontenan’ny FF
The LHM Program Manager gave the cup The cup
Atoa Louis Rakoto Rabehajaina, mpiandraikitra ny programa eo anivon’ny FF no nitarika ny fanolorana ny Amboara Inty no Amboara natolotry ny FF ho an’izay mendrika

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: