«Henoy ny Feony»


Fandaharana amin’ny fampielezam-peo

Tianay hatrany ny mampahatsiahy fa ny taona 2010 no nanomboka namokatra fandaharana amin’ny fampielezam-peo “Henoy ny feony” ny Feon’ny Filazantsara (FF). Fandaharana ho an’ny tanora izy io; ka entina hanehoan-kevitra, ao anatina famoaboasan-kevitra sy hijerena izay ambaran’ny Soratra Masina manodidina ny fanabeazana azy ireo. Raha enina no isan’ireo fampielezam-peo mpiara-miasa teo aloha dia efa mahatratra valo izy ireo amin’izao fotoana izao. Miova isam-bolana moa ny lohahevitra fakafakaina, koa ho an’ity volana Novambra 2016 ity dia tsy mitovy ny lohahevitra nalefa amin’ireo Onjam-peo enina. Ho an’ireo Onjam-peo roa eto Antananarivo dia niompana tamin’ny “ny fihavian’i Kristy faharoa” no lohahevitra ary raiamandreny Pastora roa: Pastora Dr Razafindrakoto Georges (FLM Ambatovinaky) sy Pastora Razafiharison Yves (FLM Ebenezera) izay samy avy eto amin’ny Synodam-Paritany Antananarivo (SPAnta) no nandray anjara tamin’ny famelabelarana. Ho an’ny Toamasina sy Antsirabe kosa dia “Ny andro farany” (lohahevitra nalefa ho an’Antananarivo ny volana septambra 2015), ary ho an’ny Toliara, Mahajanga, Alatsinainy Bakaro sy Ambalavao Tsienimparihy kosa dia “Izao fiainana mandalo izao sy ny aorian’ny fahafatesana” (lohahevitra nalefa ho an’Antananarivo ny volana Oktobra 2015). Ireto tanisaina manaraka ireto ireo Onjam-peo valo mpiara-miasa amin’ny FF sy ny andro ary ny ora andefasana ireo fandaharana:

* Antananarivo
– Radio ACEEM: 103.4FM, Sabotsy 6.30 maraina
Famerenana: Alatsinainy 8.05 alina
– Radio Teny Fiainana (RTF): 91.2FM, Alatsinainy 8.00 alina
Famerenana: Zoma 8.05 alina

* Antsirabe
Radio Ny Feon’ny Mpitily (RFM): 92FM Sabotsy 2.30 hariva
Famerenana: Alatsinainy 5.30 hariva

* Toamasina
Radio Ny Antsika (RNA): 94.2FM Alahady 7.00 alina

* Toliara
Radio Université (RU): 91.4FM Alarobia 5.30 hariva
Famerenana: Sabotsy 5.30 hariva

* Mahajanga
Radio Fahazavana (RF): 88.6FM Alatsinainy 10.00 maraina
Famerenana: Sabotsy 10.00 maraina

* Alatsinainy Bakaro
Radio Fiainana: 90.4FM Sabotsy 9.30 maraina
Famerenana: Talata 9.15 maraina

* Ambalavao Tsienimparihy
Radio Akon’i Tsienimparihy (R.A.T): Sabotsy 9.00 alina
Famerenana: Alahady 5.30 hariva

DSC_0004 Past RAZAFIHARISON Yves
Pastora Dr Razafindrakoto Georges Pastora Razafiharison Yves
DSCF2915 Dr Randriamanantena Yvonne

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: