Voafonja vehivavy Antanimora


Fitoriana an-kira sy tantara an-tsehatra no nentina nankalazana ny Krismasy 2015

Ho an’ity taona 2015 ity dia fitoriana an-kira sy fanehoana tantara an-tsehatra no nentin’ireo voafonja vehivavy nakalazana ny Krismasy. Niarahana hatrany tamin’ny Feon’ny Filazantsara (FF) moa ny fanatanterahana izany izay notanterahina ny Talata faha 17 Novambra 2015. Tantaran’i Estera no nofidian’izy ireo ho lalaovina izay nokendrena indrindra hampitana ho an’ny mpijery ny toetra mendrika nanan’izany mpanompon’Andriamanitra izany, ary koa ny fanafahana ny Jiosy tamin’ny alalany. 34 miarahavavy izy ireo no nandray anjara. Nasaina nanatrika ny fankalazana ireo vehivavy voafonja rehetra sy ireo mpiasa matihanina miandraikaitra ny fonja eny an-toerana. Nisy koa ny fanentanana sy famporisihana hatrany ireo voafonja hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fampianarana Soratra Masina ifandraisana atolotry ny FF. Marihina fa ireo mpandray anjara dia saika manaraka io fampianarana io avokoa. Faly ny rehetra niara-nankalaza ny Krismasy, nihaino ny feo mangan’ireo mpandray anjara ary indrindra nandray ny hafatry ny Soratra Masina novoizina nandritra izany. Notolorana vola ho marim-pifaliana izy 34 mirahavavy nandray anjara. Na dia izany aza dia tsy diso anjara ireo voafonja rehetra fa nahazao anjara vary avy amin’ny FF avokoa. Ho famaranana ny fotoana dia nisy fiaraha-miala hetahetan’ ny solon-tenan’ny FF sy ireo mpandray anjara.

OLYMPUS DIGITAL CAMERA OLYMPUS DIGITAL CAMERA
Mme lucie, Dtoa Jeannot, Mme Pauline anisan’ireo « Volontaire FF » eny amin’ny fonja Atoa Louis Sy Rtoa Lalao avy ao amin’nyFF
OLYMPUS DIGITAL CAMERA OLYMPUS DIGITAL CAMERA
OLYMPUS DIGITAL CAMERA OLYMPUS DIGITAL CAMERA
Faly ny rehetra niara-nankalaza ny Krismasy tamin’ny alalan’ny Hira sy Tantara notsoahina avy tao amin’ny Baiboly
Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :