FA IZAHO KOSA TSY MBA MANADINO ANAO!


« Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana,fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. »
I Tes 5:9

***Ary hoy Jehovah tamin’i Noa: midira ao anaty sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao. Nankatoa ny Tenin’Andriamanitra i Noa ka nanamboatra sambo-fiara araka ny torimarik’i Jehovah Andriamanitra ihany. Ny mpiara-monina amin’i Noa tamin’izany fotoana izany variana nihinana, nisotro, tao ny nampaka-bady sy namoaka sy nampakarina. Variana ny olona! tsy ratsy ny mihinana; saingy tsy tokony ho latsaka amin’ny fanaranam-po fa hahonon-tena kosa! Ny fanaranam-po dia mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra.
***I Noa, voalazan’i Jehovah fa marina dia noferan’Andriamanitra mba hiditra ao anaty sambo-fiara, rehefa izany dia tonga ny safo-drano namono ny olona naniratsira tsy nihaino ny fampitandremana. Isika koa anio dia asain’Andriamanitra hanolotra ny fontsika ho an’i Jesosy Kristy, hitafy an’i Jesosy Kristy, Ilay sambo-fiara entina hamonjena amin’ny fahatezerana ho avy, dia ilay safo-drano lehibe farany, dia ny fiavian’ny Zanak’olona eny amin’ny rahon’ny Lanitra: famonjena ho an’ny mino, ary fandringanana ho an’ny tsy mino ny Tompo. Mba efa isan’ny niditra ao anaty sambo fiara ve ianao? Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia ataovy faingana mba ho isan’izay ho vonjena; Aza ho isan’ireo variana amin’ny fiainana ihany ka iharan’ny fahatezerana!
Ny Tompo hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :