Fihaonan’ny Mpiara-miasa an-tsitrapo (volontaires) FF


Tomban’ezaka mikasika ny sehatr’asa Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI)

Ho fanatsaràna sy fampandrosoana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Feon’ny Filazantsara sy ny mpiara-miasa an-tsitra-po «Volontaires» dia nisy fihaonam-be notontosaina ny Sabotsy 28 Novambra 2015 lasa teo, nanomboka tamin’ny 9 ora maraina, izay natao teto amin’ny Foibe «FF» Lot II-V 72 Bis Bel air Ampandrana. Nahazo tombony lehibe tamin’izany moa ireo «Volontaires» teto amin’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina. Nozaraina ho efatra ny fandaharam-potoana tamin’izany:
– Fitondrana am-bavaka: ny asa Fitoriana (Fiangonana, FF, Sekoly), ny “volontaires”, ny mpianatra FSMI ary ny firenena.
– Fijerena sy fifampizarana ny anton’ny fihemoran’ny mpianatra (ireo olana, vahaolana)
– Fanolorana marim-pankasitrahana ireo “volontaires” enina mendrika noho ny: habetsahan’ny isan’ny mpianatra vaovao tao anatin’ny enim-bola farany, ny faharisihana ary faharetana teo amin’ny asa. Tsy nohadinoina koa ireo “volontaires” rehetra fa dia nahazo marika fankasitrahana avokoa ho fisaorana sy fampaherezana.
– Fampahafantarana mikasika ny Fifaninanana Krismasy 2015.
Ny faniriana dia ny hitomboan’ireo olona resy lahatra hianatra ny tenin’Adriamanitra isa-toerana; satria dia ny Tenin’Andriamanitra irery ihany ahafahana miatrika ny ady eto amin’izao tontolo izao ity. Dia samy hahefa be eo amin’ny asan’ny Tompo.

DSC_0013 DSC_0015
DSC_0030 DSC_0165
DSC_0075 DSC_0117
DSC_0142 DSC_0068

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: