FA HO RERAKA NY FON’NY OLONA NOHO NY FAHATAHORANY…


“Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Jesosy Kristy,” Romana 15:4-9

Ny zavatra ho avy dia efa ampiomanan’ny Soratra Masina antsika, na dia tsy tena voafaritra amin’ny antsipirihiny aza, ary tsy mbola hitan’ny maso koa, dia mety tsy ho azo antsaina tsara: hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Toa sarotra anefa ny haminany hoe famantarana inona? Fa ny fantatra dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany! Fa rehefa afaka kelikely dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra. Ny tokony ho toetran’ny olon’Andriamanitra dia tokony ho olona miray hevitra araka an’i Kristy Jesosy satria Andriamanitry faharetana Izy, sy Andriamanitry ny fampiononana! Ary izao no ho tonga any am-parany: ny trendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah hasandratra ho avo noho ny havoana, ary ny firenena hitanjozotra hankany, ary ny jentilisa aza hanao hoe, andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah! Sao dia ny olon’i Jehovah Andriamanitra indray no tsy haharitra na hihemotra fa ny olony marina dia ho velon’ny finoana!
NY TOMPO HAMPAHERY ANTSIKA!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: