OLONA MAHATOKY.


« Ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: indro Andriamanitrareo! » Isaia 40:9b

Raha nanoratra ho an’ny Korintiana i Paoly apostoly dia nanambara izy ny hoe: aoka ataon’ny olona ho mpanompon’i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra izahay, izany hoe ao amin’ny fanirin’ny fon’i Paoly ny antsoin’ny olona hoe mpanompon’i Kristy sy mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra. Fa na dia ny toeran’ny mpanompo aza dia sarotra tsy mba afaka manao izay tiany akory fa ny sitrapon’ny tompony! Ny voalaza eto amin’ity Isaia ity koa dia teny famporisihina ny olon’Andriamanitra tsy ho osaosa na halemilemy fa hanatanteraka ny fanompoana amin’ny feo mafy na mahery ary mba tsy hanan-tahotra hitondra ny teny soa mahafaly ary hiakatra any amin’ny tendrombohitra avo, ho avy amin’ny heriny, ary
ny sandriny no hanapaka! Mba ho tena ilay teny soa mahafaly no ho re, tsy miova sady madio. Aoka ho olona mahatoky ny mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra, mba tsy fitsaràna mialoha ny fotoana, dia ny fiavian’ny Tompo izay hampihariary ny zavatra takona! Izy tsy maintsy mitombo, fa isika tsy maintsy mihena!
Ny Tompo Jesosy hampahery antsika!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :