TSY MAHELA NY TENY FIKASANY!


“Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (II Pet 3:9)

Amin’izao taona vaovao izao indray dia tsaroana fa nitombo ny taona efa niainana. Ka amin’ny maha tany fandalovana ho antsika olombelona, ny eto amin’izao iainantsika izao dia misy ny fetrandro ho an’ny olona manokana; fa misy koa ny fetrandro ho an’izao tontolo izao dia izay ambaran’ny Soratra Masina hoe: “ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo”. Firy amintsika moa no tena vonona raha ho avy ny Tompo? Ny tokony ho tsaroantsika dia tsy tian’ny Tompo hisy ho very isika na dia iray aza. Ny fahatongavana amin’ny Fibebahana no tsy mahavery! Misy mihevitra mantsy hoe: efa hoviana no nilazàna hoe ho avy Jesosy! Nefa aiza koa hoy ny sasany? Aoka ho tsaroantsika fa ny Tompo tsy mahela ny teny fikasàny fa omeny fotoana fialanenina isika mba hibebaka. Koa raha hoy ny sasany hoe Ela Jesosy dia ho very izany olona izany! Nahazo ity taona 2016 ity isika ary! Mba efa nibebaka ve isika? Raha tsy mibebaka isika dia ho very! Andeha isika hiverina amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina Ilay hany Andriamanitra ho avy hitsara ny velona sy ny maty! Avaozy ny fanoloran-tenanao, atolory ny Tompo ny fonao manontolo, aza omena ampahany akory ny devoly!
Jesosy hampahery anao!

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: