NY FINOANA!


“Ary ny finoana dia fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” Hebeo 11:1

Ny finoana resahina eto dia ny finoana an’i Jehovah Andiamanitra, finoana nanan’i Abela izay nanatitra fanatitra tsara ho an’Andriamanitra! Dia toy izany koa ny finoana nanan’i Noa; ka nanamboatra sambo-fiara araka ny toro-hevitra avy amin’Andriamanitra na dia eny an-tampontanety aza. Izany finoana ny tenin’Andriamanitra izany no naneken’i Abrahama ny handeha any amin’ny tany tsy fantatra izay nampandehanan’Andriamanitra azy! ary mbola izany finoana an’i Jehovah Andriamanitra izany ihany koa no nahatonga ity mararin’ny habokana ity niankohoka teo anatrehan’i Jesosy, ka nanetry tena nangataka fanasitranana tamin’ny Tompo! Azo tsapaina eto fa dia mihaino ny olony tokoa Andriamanitra, ny olony izay mino Azy, ka na dia mbola teo amin’ny toerana toa sarotra sy lavitra ny fanantenana aza dia mbola nino ihany izy ireo, ary na dia mbola tao anatin’ny aretina aza dia tsy kivy fa nino ary fa mahay manasitrana azy ilay Andriamanitra mpanasitrana ny aretina rehetra! Mba tiantsika koa ve ny hanana izany finoana izany? Te hovonjen’i Jehovah koa ve isika na dia mandalo fotoan-tsarotra aza? Mety mitondra eso sy latsa tahaka an’i Noa ve isika nefa naharitra tamin’ny tenin’Andriamanitra dia novonjena izy sy ny ankohonany? Tsy miova ny Tompo! Mbola afaka mamonjy Izy, Te hanasitrana anao Jesosy raha ao anatin’ny aretina ianao! Te hamaha ny olanao Izy raha misy mamatotra anao! Andeha atolotsika Azy indray ny fontsika izao anio izao!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: