Fihaonan’ny Mpiara-miasa antsitrapo


Ny Sabotsy 23 Janoary 2016 no nanatanteraka ny fiarahabàna nahatratrarana ny taona vaovao 2016 ny Feon’ny Filazantsara (FF) sy ireo mpiara-miasa an-tsitrapo “Volontaire” avy amin’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina. Zava-dehibe ny fihaonana toy izao satria dia fotoana natao indrindra hitondràna am-bavaka ny taona vaovao sy ny asa Fitoriana ifandrombonan’ny roa tonta, ary fisaorana sy fankasitrahana ireo “volontaires” noho ny fikelezanaina sy fanoloran-tena nasehon’izy ireo teo amin’ny fiaraha-miasa. Ho fanohizana sy fanatsaràna ny fiaraha-miasa moa dia nohararaotina koa io fotoana io nampatsiahivana ireo fitaovana maro samihafa vokarin’ny FF ary atolony ho fampahombiazana ny Fitoriana tanterahin’ny tsirairay isan-toerana. Nahatratra 60 mahery ireo “Volontaires” tonga nanatrika izany izay avy amin’ny Fiangonana, Sekoly, Oniversite, Fonja ary Fikambanana. Ireo mpianatra ao anatin’ny “Club FF” eny amin’ny Lycée Nanisana moa toy ny fanaony dia nitondra hira sy seho an-tsehatra ho fiderana an’Andriamanitra. Ny Hafatra nentin’ny Talén’ny Feon’ny Filazantsara ho an’ny tsirairay teo am-pamaranana ny fotoana kosa dia notsoahana tao amin’ny 2 Korintiana 5 sy 6: “Iraka solon’I Kristy isika, mpiara-miasa aminy ary mpanompon’Andriamanitra”.

DSC_0108 DSC_0129
DSC_0112 DSC_0110
DSC_0141 DSCF3381
DSC_0155 DSC_0167
DSC_0178 DSC_0132
LENGENDE AU CENTRE

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: