Fifaninanana krismasy 2015


“Ny fihavian’I Kristy”

Toy ny tamin’ny taon-dasa, ho fankalazàna ny krismasy 2015 dia nanatanteraka “Fifaninanana Krismasy” ny Feon’ny Filazantsara nandritry ny volana Desambra. Tao anatin’ilay fandaharana “Henoy ny feony” izay vokariny sy alefany isan-kerinandro amin’ny fampielezam-peo valo manerana ny Nosy no nanatanterahana izany, dia Antananarivo: Radio RTF 91.2 FM, Radio ACEEM 103.4 FM; Antsirabe: Radio RFM 92 FM; Toamasina: Radio RNA 94.2 FM; Toliara: Radio RU 91.4 FM; Mahajanga: Radio RF 88.6 FM, Alatssinainy Bakaro: Radio Fiainana 9M; Ambalavao Tsienimparihy RAT 97 FM). Ny lohahevitra ankapobeny dia “NY FIHAVIAN’I KRISTY”. Fandaharana telo no nalahatra ho henoin’ny mpihaino izay nisy fanontaniana nahakasika ny hafatra novoaboasana, napetraka isaky ny faran’ny fandaharana, ka nasaina novalian’ny mpihaino tamin’ny alalan’ny SMS. Nahatratra 839 moa ireo nanome ny valiny marina. Ny Asabotsy 30 Janoary 2016 tamin’ny 10 ora maraina tao amin’ny Foibe FF no nanaovana ny fisarihana ny antsapaka ho an’ireo tokony hahazo ny loka, izay natrehan’ny Vadintany Rasahondranirina Raymondine. Ankoatra ireo loka Nasionaly (3 voalohany manakaiky ny isa marina) dia hafa koa no fitsinjarana ireo nahazo loka isam-paritra: valo avy any Antananarivo, iray avy any Alatsinainy Bakaro, Ambalavao Tsienimparihy, Antsirabe, Mahajanga, Toamasina, ary Toliary. Ny fikendrena tamin’izao fifaninanana izao moa dia ny fizaràna ny hafatry ny krismasy ho an’ireo mpihaino ny fandaharana “Hanoy ny Feony” izay atolotry ny Feon’ny Filazantsara.

DSC_0202 DSC_0216
DSC_0239 DSC_0257
DSC_0274 DSC_0282
DSC_0310 DSC_0307
DSC_0267 DSC_0322
DSC_0331 DSC_0341
DSC_0350 DSC_0400

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: