TENIN’ANDRIAMANITRA: VOA AFAFY TOKONY HITOMBO!


“Fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ny faharetana.” Lioka 8:15

Fantatsika fa ny hatsaran’ny tany dia zava-dehibe tokoa amin’ny fanirian’ny zava-boahary, fa ny tany hay dia tsy misy zava-maniry firy. Ny tany ampy hamandoana kosa dia maintso daholo izay jerena. Ny Soratra Masina dia milaza fa toy ny ranon’orana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, dia tahaka izany ny teny izay aloaky ny vavako. Na dia manana fo aza isika dia mila ny tenin’Andriamanitra manamando azy! Samy manana ny fandraisany ny tenin’Andriamanitra avy ny fo rehetra. Misy ny fo tahaka ny tany làlana fandehanana ka mafy satria voahitsakitsaka ary na dia ny voa nafafy aza dia voahitsakitsaka miaraka amin’ny tany koa! Ny tenin’Andriamanitra izay nafafy anaty fontsika dia mety ho voatsindrin’ny zavatra hafa toy ny fahafinaretana, ny fitiavam-boninahitra sy ny zavatra hafa izay manakona ny fitiavan’Andriamanitra hany ka tsy afaka mitombo ao anatin’ny fo ilay tenin’andriamanitra! Be loatra ny zavatra mifanerasera ao anatin’ny fo! Misy ny fo tahaka ny vatolampy ka na dia maniry aza dia vetivety dia malazo satria tsy mitahiry hamandoana, mafana ny vato ary ny hafanana sy ny rano miaraka mora mampitsiry faka nefa rehefa avy eo ny faka tsy misy tany ilentehany dia maina, ary maty ny voa. Faly mandray ny teny nefa misy fahotana toy vato tsy mamela ny teny hiditra lalina eo amin’ny fiainana! Rehefa tonga ny fakam-panahy dia mihemotra satria tsy miorina! Misy fo tahaka ny tany feno tsilo, ka rehefa maniry ny voa dia maniry miaraka amin’ny tsilo ny ravina sy ny taho, ary rovidrovitra sy maratra, hany ka tsy afaka mitombo : voagejan’ny fiahiana izao fiainana izao, voagejan’ny harena, voagejan’ny fahafinaretana ary rehefa jerena dia tsy misy voa vanona! Ny fo Ankasitrahan’Andriamanitra kosa dia ny fo mandray ny teny ka mitahiry ny teny ary mamela azy hiasa sy hitombo ao anatin’izany fo izany. Dinio ary ny fontsika! sao dia fo be zavatra mifamezivezy loatra ka tsy hita intsony ilay teny nafafy? Sao dia fo tsy mamela ny teny hanampàka? Sao dia fo feno fanahiana ka tsy afaka mitombo mihitsy ny teny? Andeha hanolotra ny fontsika manontolo ho an’i Jesosy isika, satria hoy Izy hoe: anaka atolory Ahy ny fonao!

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: