Lycée Nanisana


Fomba vaovao no nentina nanentana ireo mpianatra hianatra ny Tenin’Andriamanitra

Tiana hatrany ny mampahatsiahy fa efa ho an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Feon’ny Filazantsara (FF) sy ny Lycée Nanisana raha ny lafiny fanabeazana ara-panahy no resahina. Maro noho izany ireo mpianatra mianatra ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana (FSMI). Na izany aza, tsy mitsahatra mitady ny fomba handresena lahatra ireo mpianatra mba hazoto hianatra ny tenin’Andriamanitra, ny “staff FF” sy Jemima mpiara-miasa an-tsitrapo eny an-toerana. Tamin’izao taona vaovao 2016 izao àry dia nohatsaraina ny fomba fiasa mba hazahoana vokatra tsara. Nisy ny fihaonana narahina dinika sy fampianarana ary fitondràna ny Tenin’Andriamanitra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Club FF, mandritra ny fivorian’izy ireo isaky ny Talata atoandro. Fa tamin’izao kosa dia nisy mihintsy ny fitetezana kilasy, nitondrana fanentanana ho an’ireo mpianatra tsirairay teny an-toerana mba hianatra ny tenin’Andriamanitra. Nahafaly fa dia nisy avy hatrany ireo mpianatra resy lahatra ka nisoratra anarana amin’ny FSMI. Manantena fa ho maro koa no hanara-dia azy ireo.

DSC_0066 DSC_0058
Ampianarina mba hanana vina toy ireo olo-malaza ao amin’ny Baiboly ny Mpianatra
DSC_0092 DSC_0074
Manampy ara-pitaovana ihany koa ny FF amin’ny fampianarana toy izao
DSC_0381 DSC_0433
Mifarimbona amin’ny fanentanana ny avy eto amin’ny foibe FF sy ny “Volontaire”
ary ny mpianatra efa nahavita ny fianarana ny tenin’Andriamanitra teo aloha
DSC_0447 DSC_0372
DSC_0365 DSC_0376
Tonga dia mandray lesona sy manomboka mianatra avy hatrany
ireo vonona hianatra ny tenin’Andriamanitra

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: