AMPAHEREZONAREO NY TANANA MIRAVIRAVY!


« Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, » I Petera 3:18a

Mahagaga ny asan’ny tenin’Andriamanitra izay nirahin’Andriamanitra hanao izay ampanaoviny azy ety an-tany ka tsy miverina Aminy foana raha tsy mahatanteraka izany. Raha ny amin’i Kristy Jesosy dia nihatra tamin’ny ainy tokoa ny iraka nampanaovina Azy, Izy izay marina, notendrena hamonjy ny tsy marina. Ary fantatsika fa novonoina Izy, dia maty nefa nitsangana mba hitondra antsika amin’Andriamanitra. Misy hery tokoa ny Teny fa na dia taolana efa mihanjahanja aza no mandre izany dia maniry nofo ka velona indray, dia izany no iraka nampanaovin’Andriamanitra Azy. Isika izay maty noho ny fahotana, dia novelomina tamin’ny Batisa ho amin’ny Fanahy! Ny faharatsian’ny fahotàna dia tena tsilo mangeja ka mahatonga ny olona hiraviravy tànana sy halemy lohalika ary tsy ho afaka manao zavatra na hihetsika hamindra intsony ka very fanantenana difotry ny hakiviana. Jesosy Kristy dia nanaiky nataon’i Jaona batisa, mba ho fampisehoana amin’ny olombelona fa mbola manan-kery ny Fanahy Masina hilaza sy hanangana antsika ho zanak’Andriamanitra ka hilaza hoe: ity no zanako malalako izay sitrako. Izaho no hamaly, Izaho no hamonjy, koa na dia jamba aza ny masonao dia ampahiratiko, na dia mandringa tsy mahay mandeha aza ianao dia hitsambikina tahaka ny diera, na dia nataon’i satana moana aza ny lelanao dia hihoby. Azy ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany ka matokia fa hainy atao ho anao koa izany.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :