Famangiana Fiangonana


“Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy…” Apokalypsy 3: 10

Taorian’ny fiarahabana nahatratrarana ny taona vaovao 2016 dia maro ireo mpiara-miasa an-tsitrapo maniry ny hanamafisana hatrany ny fanentanana entin’ny Feon’ny Filazantsara ho an’ireo Kristiana ao amin’ny Fiangonana misy azy mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Anisan’izany Atoa Jean Charles izay mpiara-miasa an-tsitrapo eny amin’ny FLM Anosibe Fampiraisana (Fileovana Anosibe, SPAnta). Ny Alahady 14 Febroary 2016 no nanantanteraka izany ireo solon-tenan’ny FF. Misaotra an’Andriamanitra fa dia nifanandrify indrindra tamin’ny Isan-droa volan’ny Fitandremana Anosibe izany koa maro ireo Kristiana nanatrika ny fotoam-pivavahana. Nohamafisin’ny raiaman-dreny Pastora sy ny solon-tenan’ny FF nandritra izany ny maha sarobidy ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra izay tena fototry ny finoana KIristiana tokoa. Izany no ahafahana mandresy ny fakam-panahy marobe entin’ny devoly hakàna fanahy ny kristiana. Ny Finoana an’i Jesosy Kristy Tompo irery ihany no ahazoana mamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.

DSC_0497 DSC_0515
DSC_0501 DSC_0490

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: