NY FIJERIN’NY NOFO.


« Ary rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra. » Jaona 6:15

Eo amin’ny andininy voalohany dia manambara ny nanarahan’ny vahoaka betsaka an’i Jesosy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ny marary. Ny nahitan’ny vahoaka ny nataon’i Jesosy tamin’ny marary no nanarahany Azy. Jesosy dia nizaha toetra ny mpianatra. Dia hoy Izy: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo? Any amin’ny habetsahan’ny vola eo am-pelatanana no nalehan’ny sain’i Filipo. Ny an’i Andrea indray dia ny amin’ny habetsahan’ny hanina eo am-pelatanana: Mofo dimy sy hazan-drano kely roa! Fa Jesosy nahalala ihany izay efa ataony; asaivo mipetraka ny olona. Alohan’ny hizarana ny mofo dimy sy ny hazandrano kely roa dia nisaotra Jesosy. Mampiseho ny fahatokiana ny Tompo eto. Na dia ireo ihany aza no teo am-pelatanany dia nisaotra Izy, dia nozarainy. Mampianatra ny amin’ny tokony hatokiana an’Andriamanitra ny Tompo. Tsy hiantehitra amin’ny hita maso. Dia nisy ambiny ny sakafo; izay tsy ampy toy inona no fijery azy talohan’ny nizarana azy. Mampianatra ny olony tsy hiantehitra amin’ny hita maso Andriamanitra, fa handeha amin’ny finoana. Tokony ho toy izao fahatokian’ny Tompo izao no fahatokiana ananan’ny Fiangonana ankehitriny: tsy hiantehitra amin’ny hita maso, fa handeha amin’ny finoana. Raha tsy manana fahatokiana ny Tompo tahaka izao hita izao isika dia andeha hifona Aminy; ka na dia tsy mbola eo am-pelatanana akory aza ny mofo sy hazandrano tokony ho ampy dia hisaotra sy hatoky Azy sahady, ka handeha amin’ny finoana.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :