Fiaraha-miombon’antoka: Fileovana Ambalavao Tsienimparihy/Feon’ny Filazantsara (FF)


Fampiofanana “Fampitaovana ny olona masina”

Tiana ny mampahatsiahy fa ny volana May 2015 dia efa nahazo ny Fampiofanana “Fampitaovana ny olona masina” ny Fileovana Ambalavao Tsienimparihy izay iandraiketan’i Pastora Randrianarivonirina Dieu Donné. Fiangonana miisa dimy avy amin’ny Fitandremana Ambalavao moa no nandray anjara tamin’izany. Ho an’ny taona 2016, araka ny fangatahan’ireo raiamandreny Pastora dia Fitandremana roa hafa indray no nahazo Fampiofanana dia ny Fitandremana Anjoma sy ny Fitandremana Ambohijatovo. Ny 10, 11 Martsa 2016 lasa teo no nanatanterahana izany ka nahatratra 25 ireo mpandray anjara, izay avy amin’ny Fiangonana FLM dimy. Tonga nanotrona sy nandray anjara feno tamin’ny Fampiofanana ny Pastora Mpitondra Fileovana sy ny Pastora Herimampiandrarivo Tantely Nirina Mpitondra ireo Fitandremana roa voalaza tetsy ambony. Marihina fa ireo Fitandremana roa ireo dia avy amin’ny faritra ambanivohitra, ary an-kilometatra maro miala ny renim-pitandremana Ambalavao; koa dia vitsy tamin’ireo mpiofana no efa nanatrika Fampiofanana toy izao. Naneho ny hafaliany noho izany izy ireo ary nankasitraka tanteraka ny fiaraha-miasan’ny FF amin’ny Fileovana Ambalavao, indrindra moa fa ny nandraisany sy nianarany torolalana sy fomba Fitoriana mahomby entina hampandrosoana ny Fiangoanana. Toy ny mahazatra dia nisy ny fanolorana sertifika ho an’ireo mpiofana teo am-pamaranana ny Fampiofanana.

DSC_0389 DSC_0535
Fileovana Ambalavao Tsienimparihy
DSC_0564 DSC_0462
Pastora Mpitondra Fileovana Randrianarivonirina Dieu Donné Pastora Mpitondra ireo Fitandremana roa Herimampiandrarivo Tantely Nirina
DSC_0377 DSC_0454
Atoa Andrianasolo Jaona, Talen’ny FF Atoa Rakoto Rabehajaina Louis, Miandraikitra ny Programa eto @ FF
DSC_0391 DSC_0366
Rtoa Raveromanana Lalao, Miandraikitra ny Fifandraisana Malalaka ny fametrahana fanontaniana
DSC_0358 DSC_0401
Misy hatrany ny fialàna voly
DSC_0555 DSC_0559
Ampiharina avy hatrany rahateo izay notovozina (Andrana)
DSC_0490 DSC_0517
Ilaina ianarana ihany koa ny manao tatitra
DSC_0574 DSC_0588
DSC_0589 DSC_0593
Toy ny mahazatra dia misy ny fizarana Sertifika eo am-pamaranana Nisaotra ny nankasitraka ny FF ireo raiamandreny nisolotena ny mpiofana

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: