Fitsidihan’Atoa Eric Gates Tale Jeneralin’ny Lutheran Hour Ministries Faritra Afrika sy Moyen Orient


Fisaorana an’Atoa Andrianasolo Jaona Talen’ny FF sy famporisihina ireo mpiara-miasa

Nadritry ny 16 taona dia Atoa Andrianasolo Jaona no Talen’ny Sampan’asa Feon’ny Filazantsara (FF). 16 taona nitantanana sy niandraiketana ireo sehatr’asa marobe vokarin’ny FF manerana ny Nosy izy. Noho izany fitantanan’Andriamanitra lehibe izany dia andeha hisotro ronono izy manomboka izao volana Aprily 2016 izao. Tonga nitsidika ny FF araka izany Atoa Eric Gates Tale Jeneralin’ny LHM Faritra Afrika sy Moyen Orient ny 21- 24 Martsa 2016, nisaotra an’Atoa Tale niaraka tamin’ireo mpiara-miasa, tamin’ireo asa masina sady lehibe nosahaniny ho fampandrosoana ny Fanjakan’Andriamanitra ka nahafahana nitarika olona marobe ho ao amin’ny Fiangonana. Araka ny fandaminana dia Atoa Louis Rakoto Rabehajaina izay tompon’andraikitry ny Programa eo anivon’ny FF no Tale mpisolo toerana vonjimaika mandra-pahahita izay hisolo azy. Nanome hery ny mpiara-miasa rehetra ny fihaonana tamin’Atoa Eric Gates eo amin’ny fanohizana ny asa. Ny mpiara-miasa rehetra (Staff, Volontaires) eto amin’ny FF, dia misaotra sy miray soa an’Atoa Andrianasolo Jaona, ny Tompo anie homba sy hanafy hery azy mandrakariva eo amin’ireo asa Fanompoana maro mbola sahaniny.

Mr Eric Gates, Mr Jaona Andrianasolo (LHM Director) and some staff and volunteer. Mr Louis Rabehajaina, the Program Manager

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: