Fandefasana horonan-tsarimihetsika


Tsara ny Tompo

Tiana ny mampahatsiahy fa ny volana Martsa dia nisy fanentanana nataon’ny Feon’ny Filazantsara (FF) tany amin’ny FJKM Ambohibary Zoara (SPAA 11) mikasika ny Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana izay atolotry ny FF maimaimpoana ho an’ny Fiangonana. Isaorana ny Tompo fa dia nahatratra 65 ireo namaly ny antso ka niroso hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Atoa Ratsimbazafy, Mpitandrina ao an-toerana moa, na dia efa nisy aza ireo resy lahatra dia mahatsapa fa mbola maro koa ireo hafa tokony hianatra, ka tsara ny hitohizan’ny fanentanana amin’ny alalan’ny fandefasana horonan-tsarimihetsika kristiana. Ny Zoma Masina, 25 Martsa 2016 dia nanasa ny FF izy handefa ny horonan-tsarimihetsika: “Jesosy araka ny fijerin’ny Ankizy azy” sy “Ilay dia makany an-danitra”. Notanterahina moa izany, hampitàna ireo hafatry ny Baiboly ka hanamafisana indray ny fanentanana ireo Kristiana na tsy Kristiana tonga nanatrika hiroso lalindalina kokoa amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Nahatratra 349 ireo tonga nijery ny horonan-tsarimihetsika. Ny tompo anie hamangy tsy tapaka ny fon’ny tsirairay ka hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanita, mba hitomboany amin’ny finoana.

DSC_0771 DSC_0773
Atoa Ratsimbazafy, Mpitandrina FJKM Ambohibary Zoara Atoa Jaona Martin FF, niandraikitra ny fandefasana ny horonan-tsarimihetsika
DSC_0783
Tena liana tokoa ny rehetra

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: