FAHORIANA, FIFALIANA.


“Ary hianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.” Jaona 16:22

Jesosy no niantso ny mpianany ho eo Aminy, nanaraka Azy ireo na andro na alina. Izay nohanin’ny Tompo dia niarahany tamin’izy ireo, hany ka tena nisy fifamatorana teo amin’i Jesosy sy ny mpianatra. Raha voasambotra Jesosy, dia tena vonton’alahelo ireo mpianatra: nahoana no nanaiky Izy! Fantatry ny mpianatra ny fahefan’i Jesosy. Tian’i Jesosy ny hamonjena ahy sy ianao ka nanaiky Izy ho voasambotra sy ho faty hahazoantsika famelàna ny helotsika. Maty Jesosy. Gina ny mpianatra. Aiza Ilay nantenaina? Levona ny faharetany sy ny fanantenany an’i Jehovah. Kanjo, Nitsangana Jesosy ny alahady maraina. Ny famindrampon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika. Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fahanginana. Rehefa nahita ny Tompo ny mpianatra dia faly ny fon’ izy ireo. Ry malala, mananatra anareo aho, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny. Manantenà an’i Jehovah fa tsara Izy amin’izay manatena Azy.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: