IZY NO HO VAVOLOMBELONA HANAMBARA AHY


« Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no vavolombelona hanambara Ahy. Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianreo efa teto amiko hatramin’ny voalohany. » Jaona 15:26-27

Jesosy manambara ny zavatra hitranga aoriana amin’ny mpianatra, indrindra ny ahatongavan’ny Fanahy Masina izay ambaran’ny Tompo hoe Mpananatra. Raha ny lazain’i Jesosy dia afaka maniraka ny Fanahy Masina Izy. Anarana iray ilazany Azy koa dia ny hoe Fanahin’ny fahamarinana, Fanahy izay mampiaiky ny fahamarinana satria tsy hahita Azy intsony ny mpianatra. Ho vavolombelona hanambara an’i Jesosy ny Fanahy, tahaka ny mpianatra koa satria efa teo amin’ny mpianatra Jesosy. Hisy ny fanenjehana ireo mpianatra. Eo no tokony hijoroany ho tena vavolombelona. Ho tena mpianatra. Hifankatia tsara, fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Ny manjo ny mpianatra dia mety hanjo ny Kristiana rehetra, koa tokony hifankatia koa ny Kristiana rehetra, hifampiantrano, hifanompo. Koa raha miteny aza dia tokony hitandrina amin’izay lazainy, ary toy ny milaza
tenin’Andriamanitra. Efa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra. Koa raha tsy nahatanteraka izany hafatry ny Tompo izany isika dia tokony hifona aminy, ka hiverina amin’ny làlana natorony. Hoy ny teniny: Hofafazako rano madio hianareo ka hadio, ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo: azo ambara amin’io hoe fafazana rano madio io ny Fanahy. Aoka ary isika hanaiky hofafazan’ny Tompo rano madio.

Ny Tompo hampahery anao.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Face book: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :