FO VATO


“Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary esoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka omeko fo nofo hianareo.” (Ezekiela 36:26)

Raha ny olombelona no resahina dia azo atao hoe taova iray antoky ny hahaveloman’ny olona ny fo. Raha ny Soratra Masina indray no resahina dia voalaza fa amin’ny fo no inoana, voalaza koa fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, sns…Ny ambara eto kosa dia hain’Andriamanitra ny manome fo vaovao ny olona iray, raha fo vato no nananana teo aloha dia ho soloiny fo nofo. Fo nofo mitempo, fo nofo mahatsiaro marary, fo nofo afaka mahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra ary fo nofo afaka mitempo fifaliana noho ny famelan-keloka raisina avy amin’Andriamanitra rehefa avy nifona taminy. Mbola ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika no mahay mampahatsiaro ny zavatra rehetra, fa tsy ny fanahy mamono ny fahasoavan’Andriamanitra nentin’ny tenin’Andriamanitra. Ny fiasan’io fanahy mamono io no mahatonga ny olona hanana fo vato. Ny anjarantsika olombelona dia ny mamela an’Andriamanitra hiasa, mamela ny Fanahy vaovao natao ao anatintsika hiasa. Mihamafy fo noho ny fahotana ny olona ankehitriny ka tsy andairan’ny Fanahy intsony. Mba hanetry tena ary isika ka hanaiky handray ny fanahy vaovao ataon’Andriamanitra ao anatintsika.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: