HAMPIANATRA, HAMPAHATSIARO.


“fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay irahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:26)

Ny Mpananatra nolazain’i Jesosy eto dia ny Fanahy Masina, iraky ny Ray amin’ny anaran’i Jesosy. Hoy ny Tompo hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy. Isika anefa, amin’ny maha olombelona antsika dia mora manadino, ary eo no ialazan’i Jesosy amintsika hoe: ny Fanahy no hampahatsiaro antsika izay rehetra nolazain’ny Tompo tamintsika. Zava-dehibe io nolazain’ny Tompo io satria maro fahavalo ny Tenin’Andriamanitra ka esorin’izany fahavalo izany ao ampon’ny olombelona ny Teny izay reny, ka tsy hisy vokatra azo antenaina. Ny toriteny izay rentsika dia miteraka finoana an’i Jesosy ao anatintsika, anefa ny toriteny dia avy amin’ny Soratra Masina ihany. Io Teny ao anatintsika io dia ambaran’i Jesosy fa tokony hitombo, ka asan’ny Fanahy Masina ihany ny mampitombo Azy, ary asany koa ny mampahatsiaro Azy antsika. Tokony hangataka ny Fanahy Masina mandrakariva ary isika hampitombo ny Teny ao anatintsika ka hitondra vokatra masina eo amin’ny fiainantsika dia ny vokatry ny Fanahy. Koa raha nanamaivana ny Fanahy nomena antsika isika ka tsy namela ny Tenin’Andriamanitra hitombo ao anatintsika dia handeha hifona amin’ny Tompo ka hanova izay tsy mety, izay nanamaivanantsika izany asan’ny Fanahy ao anatintsika izany.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena…ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: