NY FIANTSOANA


“Ary hoy ny tompo tamin’ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ny làlambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.” Lioka 14:23

Nisy olona anankiray nanao fanasàna lehibe ka nanasa olona maro. Ny fanasana dia tokony ho vokatry ny fitiavana satria na ny fandaniana, izay na dia kely aza dia misy fahafoizana noho izy omena maimaimpoana,.Eo an-daniny koa, misy ny fisahiranana satria be ny kenonkenona:ny fandrahoana sakafo sy ny fikajiana ny mba ho sakafo mendrika ny fanasana atao. Tsy lazaina intsony ny fotoana lany sy ny havizanana azo amin’ny fikarakarana. Raha fintinina dia misy fitiavana be dia be ny olona voaasa. Ny olana eto dia ireo nasaina indray no nandà ka nanao fialàna tsy hanatrika ny fanasana. Raha ny fieràn’ny tsirairay voalaza dia maivana: hijery ny vao novidiana, hamantatra ny omby vao novidiana, vao nampaka-bady. Eny na dia mety havesatra aza ny anton’ny fialana tsiny dia toa fanambaniana ilay tompom-panasana. Rariny raha tezitra ny tompom-panasana satria simba ny sakafo nomanina sy nisahiranana. Hariana fotsiny ve? Hany heriny dia izao eto izao: tereo ny olona eny an-dalambe sy eny antsisim-boly hiditra mba ho feno ny tranoko. Sarin’ny Fiainana mandrakizay hanasan’Andriamanitra antsika izao. Manambany an’Andriamanitra ny nasaina, hany ka tezitra Izy dia ny olona izay tsy voaasa indray aza no noterena hiditra. Mampiseho eto fa tsy tian’ny Tompo hisy ho very na dia iray aza. Koa raha nanamavo an’Andriamanitra tamin’ny fombantsika rehetra isika dia andeha hifona aminy ka hanatrika ny fanasany mba tsy ho very mandrakizay, indrindra raha asainy hiray latabatra Aminy isika. Jesosy hampahery anao.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: