TAHAKA NY RAINAREO MPAMINDRA FO.


“Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.” Lioka 6:36

Tamin’y nifidianan’i Jesosy ny apostoly sy ny asa fanasitranana maro nataony ary ny toriteny nataony no nitenenany izao teny izao. Raha ny marina, ny zanaka dia tokony hanahaka ny ray izay niteraka azy, na ny endrika na ny bika ary na ny toetra aza. Ny zanak’Andriamanitra dia tokony hanahaka ny Ray dia Andriamanitra izay niteraka azy, na dia zanaka natsangana aza izy. Raha ny fiainana andavan’andro, dia misy ny faharatsiana isankarazany ary mampieritreritra ilay tononkira hoe mananika ny lanitra ny faharatsiana. Maro ny zioga ataon’i Satana hanandevozana ny olona. Ny adidin’ny zanak’Andriamanitra dia ny hamaha ny fatoran’ny faharatsiana sy ny hanapatapaka ny zioga ataon’i Satana. Tsy vita mora anefa izany asa fanafahana izany fa mila ny fifadiana avy amin’ny zanak’Andriamanitra: fifadian-kanina izay ahazoany hery hanohitra ny fakam-panahy eo alohany. Ny fifadiana tena sitraky ny Ray anefa dia ny hitiavana an’ Andriamanitra, sy ny hitiavana ny namana amin’ny famahana ny famatoran’ny faharatsiana. Tsy vita mora izany fa mila fahafoizana, ny ambaran’ny Soratra Masina dia ny hoe: “Afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao”. Moa tsy efa nataon’ny Ray tokoa izany tamin’ny namoizany ny Zanany lahy tokana ho faty teo amin’ny hazo fijaliana hamonjeny ahy sy ianao? Tsy ny hitsara ahy sy ianao no nahamaika Azy fa ny hamaha ny fatoran’ny faharatsiana tamin’ny namoizany ny Zanany ho antsika. Koa rariny tokoa, raha zanak’ Andriamanitra isika dia aoka tsy ny hitsara ny namantsika no mahamaika antsika fa ny hanampy azy sy ny hamonjy azy. Andeha isika hifona amin’Andriamanitra raha nilatsaka nitsara ny namantsika ka hiverina hanahaka an’Andriamanitra mpamindra fo.

Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: