NY FIHAINOANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA.


« Kanefa noho ny teninao, dia alatsako ihany ny harato. » Lioka 5:5b

Rehefa nifanizina tamin’i Jesosy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia niditra teo an-tsambokely Jesosy ka nampianatra ny vahoaka. Ary rehefa nitsahatra niteny Izy dia nasainy niditra tamin’ny lalina ireo mba handatsaka ny haratony. Fa Simona namaly hoe efa hatramin’ny alina no nikely aina izy nefa tsy nahazo. Toetra ananan’ny olona matetika ny fitokiana amin’ny heriny, fitokiana amin’ny traikefa ananany, hany ka alaim-panahy handa ny tenin’Andriamanitra. Refesin’ny olona amin’ny fomba fandrefesany ny herin’Andriamanitra ka mandà ny tenin’Andriamanitra izy. Io no fahavoazan’ny olona maro ary ahitany loza. Mandà ny tenin’i Jehovah ka mamorona andriamanitra hafa. Hoy ny tenin’ny Tompo: Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny. Ety an-tany dia efa valian’Andriamanitra avo sasaka ny helony sy ny fahotany tamin’ny nandotoany ny tany. Soa ihany Petera fa nanenina: kanefa noho ny teninao, dia alatsako ihany ny harato hoy izy. Noho ny vokatry ny fanarahana ny tenin’i Jesosy: feno, saika triatra ny harato. Na dia tsy ampy finoana aza isika kanefa manaraka ny tenin’andriamanitra ihany dia mahatalanjona ny asan’Andriamanitra. Nahatsiaro tena Petera: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. Tokony hatsiaro tena tahaka an’I Petera isika noho ny tsy finoan-tsika ny tenin’Andriamanitra.

Jesosy hampahery antsika.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :