MIHOATRA NOHO NY AN’NY MPANORA -DALANA:


“Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.” Matio 5:20

Raha ny fanarahan-dalàna dia tena fatratra ny fanatanterahan’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izany. Ka na dia ny dia an-tongotra atao ny andro sabata aza dia isaina. Nefa, hoy ny Soratra Masina hoe: Samy efa nanota izy rehetra ka tsy misy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Izany hoe: tsy nisy nahatanteraka ny lalàna rehetra: Miharatsy hatrany ny olombelona, na ny fanao na ny fomba, na ny fahazarana… dia tsy misy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra dia hafa indrindra. Ny fahamarinana avy amin’ny olona dia ny asa na ny fanaovana izay heveriny ho soa amin’ny olona no ahazoana famonjena. Ilaina ny manao soa fa raha izany ihany dia tsy ampy hahavoavonjy antsika. Ny hamonjena antsika dia ny andraisantsika an’i Kristy ao amin’ny fianantsika. Ny ambara hoe Fahamarinana avy amin’Andriamanitra dia ny asa famelan-keloka omen’i Jesosy Kristy ny olona mitady izany, ny olona mahafantatra ny tsy favitàny izay tsara ka mila ny famindram-po avy amin’Andriamanitra. Mila manaiky ho faty ny amin’ny ota: manaiky ho entin’i Kristy ny fahotàna rehetra ka hombohona eo amin’ny hazo fijaliana, ary raha natsangana Kristy dia olona hafa indray no eo satria tsy hanankery amin’i Kristy intsony ny fahafatesana. Aoka isika ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Tsy mifaly ny amin’ny ota satria sarotra ny nitondran’i Kristy izany teo amin’ny hazo fijaliana. Jesosy hampahery antsika.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: