NY FANAHY MIHAOSA DIA HOVOKISAKO


“Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy ka, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba arosony; dia narosony teny anoloan’ny vahoaka izany.” Marka.8.6

Raha dinihina ny Testamenta Taloha dia tsapa ny fitahian’Anriamanitra ny olony dia ny zanak’Isiraely izany. Raha nisy ny hanoanana tany an’efitra dia hain’Andriamanitra ny nandatsaka mofo sy hena avy any andanitra. Ny eto amin’ity Filazantsara Mar 8.1-9 ity anefa dia nampandray anjara olombelona Izy dia ny mpianatra izany: te hiara-miasa amin’ny olombelona Andriamanitra. Nahita mofo fito sy hazandrano madinika vitsy izy ireo. Rehefa novakian’i Jesosy sy nozarain’ny mpianatra ireo dia voky ny vahoaka ary nisy ambiny fito sobiky aza, nefa vahoaka efa ho efatra arivo no teo. Voalaza fa naharitra niaraka tamin’i Jesosy hateloana ireto vahoaka ireto ka noana tsy nisy hanina intsony nefa izao nanaovan’i Jesosy famantarana izao. Raha nijangajanga nahafoy an’Andriamanitra ny vahoakany dia lasan-ko babo. Fa rehefa nazoto nihaino an’i Jehovah izy ireo dia niseho toy izao ny voninahitr’Andriamanitra: mitadiava an’i Jehovah dia ho velona hianareo. Raha nahafoy an’i Jehovah Andriamanitra isika ka natoky zavatra hafa, na natoky ny tenantsika ihany aza dia vinitra Andriamanitra. Koa andeha hifona aminy isika, dia ho hitantsika indray ny heriny sy ny voninahiny. Tsy isika no andeha hangataka amin’olona, fa ny olona no hangataka amintsika. Jesosy hampahery.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail: lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: