ATAOVY HO AMBONY KOKOA NY AMIN’NY FANAHY.


“Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy ? Fa aiza ny sivy?” Lioka 17:17

Rehefa nifanena tamin’I Jesosy ireto boka folo lahy, nijanona teny lavitra teny, Dia niantso hoe: ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. Ary niteny azy ireo Jesosy hoe mandehana misehoa amin’ny mpisorona. Dia nandeha izy folo lahy, ary sitrana teny am-pandehanana, nefa iray ihany no niverina nisaotra rehefa nadio. Nanam-pinoana ihany izy rehetra tany amboalohany. Nanaiky handeha hiseho amin’ny mpisorona izy ireo na dia mbola tsy sitrana aza. Fa nijanona teo ihany ny finoan’ny sivy lahy. Hoy Jesosy: «Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? Fa aiza ny sivy?” Ity samaritana hafa firenena ity ihany no niverina nisaotra an’I Jesosy. Mila mahatsiaro ny asa nataon’Andriamanitra tamintsika isika. Ity boka Izay samaritana sitrana ity, dia nahatsiaro ny fanadiovana nataon’I Jesosy taminy .Tsy nijery ny maha hafa firenena azy izy, fa ny fahasitranana azony tamin’i Jesosy no lehibe taminy. Ny jiosy mantsy nihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny samaritana, nefa izy ireo Indrindra no tsy nahatsiaro ny hisaotra an’I Jesosy. Afaka ny habokan’ izy folo lahy ara-nofo, fa ny sivy tamin’ireo kosa mbola bokan’ny fahotana. Ny finoantsika an’I Jesosy no mahafaka ny fahotantsika. Mahatezitra an’Andriamanitra raha ny ara-nofo fotsiny no katsahintsika fa aoka ho ataontsika ho ambony kokoa ny amin’ny Fanahy. Hoy indrindra ny tenin’Andriamanitra: “…Mandehana Araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo” (Galatiana 5:16).
Hampahery anao anie ny Tompo.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: