Fananganana fiaraha-miasa vaovao

Fihaonana amin’ireo raiamandreny ara-panahy Mitohy hatrany ny fampahafantaran’ny Feon’ny Filazantsara (FF) ireo sehatr’asa vokariny amin’ireo Fiangonana izay liana amin’izany. Fihaonana mivantana amin’ireo raiamandreny Pastora/Mpitandrina na amin’ny alalan’ny antso amin’ny finday moa no hanatanterahana izany. Tamin’ity herin’andro ity àry dia nihaona tamin’Atoa Razafindrakoto David Clement, Mpitandrina ao amin’ny METM Betlehema Fanantenana Ankazomanga ireo solon-tenan’ny mpiasa FF. […]