Fananganana fiaraha-miasa vaovao


Fihaonana amin’ireo raiamandreny ara-panahy

Mitohy hatrany ny fampahafantaran’ny Feon’ny Filazantsara (FF) ireo sehatr’asa vokariny amin’ireo Fiangonana izay liana amin’izany. Fihaonana mivantana amin’ireo raiamandreny Pastora/Mpitandrina na amin’ny alalan’ny antso amin’ny finday moa no hanatanterahana izany. Tamin’ity herin’andro ity àry dia nihaona tamin’Atoa Razafindrakoto David Clement, Mpitandrina ao amin’ny METM Betlehema Fanantenana Ankazomanga ireo solon-tenan’ny mpiasa FF. Faly ary tena liana amin’ny fiaraha-miasa izy satria dia tsapany fa tsy afaka hilaza ho mahavita irery ny asa Fitoriana ny Filazantsara ny Fiangonana. Ilaina ny fanomezan-tànan’ny sampan’asa toa ny Feon’ny Filazantsara ho entimanatontosa ny Fitoriana ny Filazantsara hatrany amin’ny faran’ny tany. Taorian’ny fihaonana moa dia nangataka ny hizarany ny “Fampianarana Soratra Masina ara-Pifandraisana” atolotry ny FF maimaim-poana hoan’ireo mpikambana ao amin’ny “Sekoly Fanantenana” ao an-toerana sy ny Komitim-piangonana izy.

dscf4271 dscf4303
Atoa Razafindrakoto David Clement, Mpitandrina ao amin’ny METM Betlehema Fanantenana Ankazomanga sy ireo solon-tenan’ny FF

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: