VATOLAMPY TSY MIOVA


“Izaho dia Izaho no Izy ka tsy misy andriamanitra eto amiko” Deotornomia 32:39

Ity teny ity dia ao anatin’ny hira nataon’i Mosesy, manambara ny maha vatolampy tsy miova an’i Jehovah Andriamanitra. Ny olony no miovaova fa Izy tsy miova. Andriamanitra manambara tena amin’ny asany, dia ny zavatra nohariany, izay hita fa tsy misy ny toa azy. Mba miezaka ihany ny olombelona maka tahaka na mamorona fa tsy misy tahaka ny tena vitan’Andriamanitra. Izany no hitenenany hoe: “Izaho dia Izaho no Izy ka tsy misy andriamanitra eto amiko” Tia ny olony Andriamanitra, fa saro-piaro Izy, ka mamela heloka amin’izay miavona aminy Izy. Ny mahafinaritra anefa dia mamela heloka sy mamindra fo amin’izay manetri-tena sy miaiky eo amatrehany Izy. Ny faharetan’ny andron’ny olona dia fitopolo taona, raha tahiny mateza dia valopolo taona. Nefa hain’i Jehovah Andriamanitra ny mahafaty sy ny mahavelona, ary na dia ny manangana amin’ny maty aza dia hainy raha tiany tahaka ny nananganany ny Zanany, tahaka ny hananganany antsika koa amin’ny andro farany raha maty ao aminy isika. Koa raha nanamafy atoka isika amin’ilay Jehovah Andriamanitra mpamorona antsika , na niolakolaka koa ka tsy nankatoa Azy, dia andeha hiaiky ny tsy fahatokiantsika Azy, ary hifona aminy ka hanolotra ny androntsika sisa hanompoana Azy.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: