MAHARETA AMIN’NY FIVAVAHANA.


“Mahareta amin’ny fivavahana.” Rom 12:12b

Epistily nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana, epistily manambara ny toe-piainana tokony arahin’ny Kristiana. Raha ny vavaka dia resaka ataon’ny olona amin’Andriamanitra, mitaky finoana ny firesahana amin’Andriamanitra izay tsy hita maso. Noforonin’Andriamanitra tahaka ny endriny isika olombelona, ary ny firesahana Aminy no isan’izany endrika izany. Ny firaisana amin’i Jehovah Andriamanitra no mampiavaka antsika amin’ny zava-boahary hafa. Mihaino ny resaka ataon’ny olona aminy ve Jehovah? Eny mihaino Izy raha tsy misy ny heloka ataon’ny olona mampisaraka azy amin’Andriamanitra. Koa Raha misy ny heloka mampisaraka dia tokony hiaiky heloka ny olona ka hifona amin’Andriamanitra. Soa fa nisy ny sorona nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazo fijaliana nitondrany ny heloky ny olona mibebaka marina. Io no mitondra aina vaovao indray ho an’ny kristiana. Hoy ny Tompo: raha miray Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. Tokony hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika mba hahatonga antsika ho sampana mamoa, satria miray amin’Ilay foto-boaloboka isika. Ny faharetana amin’ny vavaka no mampamoa ny olona voa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Jesosy hampahery antsika.

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: