Programan’asa Fanasoavana


Fanolorana fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana tao amin’ny CEG Mananjary.

Nandritry ny nanatanterahana ny fampiofanana “Fampitaovana ny olona masina” tany amin’ny FLM Antsenavolo, Fileovana Kianjavato, Synodam-Paritany Anala, ny 06-07 Oktobra 2016 teo dia nohararaotin’Atoa Andriamanjaka Daniel Talen’ny Feon’ny Filazantsara (FF) sy ny mpiara-miasa aminy ny nihaona tamin’ny Raiamandreny Pastora Ranaivosolo Jaona, Mpitondra Fileovana Mananjary. Ny anton’ny fihaonana dia fampahafantarana azy ny fiaraha-miasa azon’ny roa tonta atsangana. Taorian’ny fihaonana dia niara-nitsidika ny CEG Mananjary ny rehetra. Ny Talen-tsekoly rahateo dia mpivavaka ao amin’ny FLM Mananjary ihany. Tsy famangiana fotsiny no nataon’ny ekipan’ny FF fa dia nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy tena sahirana ao amin’ny Sekoly. Nankasitraka izany ny Talen-tsekoly ka nanambara fa zava-dehibe tokoa raha sady mitombo fahalalàna ny ankizy no mitombo fahendrena ihany koa; ary dia vonona izy ny ho mpiara-miasa an-tsitrapon’ny FF, hanentana sy hampahery ireo mpianatra mba hianatra ny Tenin’Antriamanitra amin’ny alalan’ny “Fampianarana Soratra Masina” atolotry ny FF maimaim-poana.

meeting-with-rev-ranaivosolo-jaona-mananjary the-director-of-mananjary-high-school-and-the-lhm-team
Fihaonana tamin’ny Raiamandreny Pastora Ranaivosolo Jaona,
Mpitondra Fileovana Mananjary.
Teo koa ny fihaonana tamin’ny Talen’ny
CEG Mananjary
the-school-supplies dsc_0038
Notolorana fitaovam-pianarana ireo mpianatra tena sahirana tao amin’ny CEG

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: