Fandaharana amin’ny Fampielezam-peo: “Henoy ny feony”


Miitatra any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy

Anisan’ny programa vokarin’ny Feon’ny Filazantsara natao hahatratra olona marobe indrindra ny fandaharana “Henoy ny Feony” izay alefa amin’ny Fampielezam-peo. Tanjon’ny FF noho izany ny hanitatra izany amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara indrindra ireo faritra be Silamo. Misaotra an’Andriamanitra fa dia tanteraka soa aman-tsara ny fanitarana izany any Nosy Be faritra Avaratry ny Nosy. Vita ny 21 Septambra 2016 mantsy ny fanaovan-tsonia fifanarahana miaraka teo amin’Atoa Andriamanjaka Daniel, Talen’ny Feon’ny Filazantsara sy Atoa Ratadiavina Serge Talen’ny Radio Tsiko Meva Ylang FM 91. Marihina fa tanàna faha sivy andefasan’ny FF ny fandaharana “Henoy ny Feony” ny any Nosy Be izay mandeha amin’io onjam-peo io isaky Talata amin’ny 4 ora 30 mn hariva. Ny famerenana kosa dia ny Alakamisy amin’io ora io ihany.

20160921_123807
Atoa Andriamanjaka Daniel, Talen’ny Feon’ny Filazantsara
sy Atoa Ratadiavina Serge Talen’ny Radio Tsiko Meva Ylang

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: