Tanora Taratry ny Filazantsara (TTF) “Oniversiten’Antananarivo”


“Mandehana ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra”

Tsy mionona fotsiny amin’ny Fitoriana ny Filazantsara amin’ny alalan’ny “Fampianarana Soratra Masina Ifandraisana”, na ny fandefasana horonan-tsarimihetsika, na ny famakiana ireo boky Literatiora Kristiana ireo mpikambana ao amin’ny TTF eny amin’ny Oniversite Antananarivo, izay mpiara-miasa amin’ny Feon’ny Filazantsara “FF”. Tafiditra tao anatin’ny programan’asan’izy ireo ny taona 2016/2017 ny fanaovana Tafika Masina eny amin’ny faritra Ambanivohitra; ka Famangiana tokan-trano sy Tafika Masina an-kalamanjana no notanterahan’izy ireo ny volana Oktobra 2016 lasa teo. Niaraka nanatontosa izany ireo tanora ao amin’ny TTF sy ireo Tanora mpiakambana ao amin’ny “Jeunesse en mission” ary ny solontenan’ny FF nandritry ny roa andro tany amin’ny faritra Andranovelona, 75 KM miala an’Antananarivo. Misaotra an’Andriamanitra fa dia maro ireo olona nandray azy ireo, ary nisy tamin’izy ireo no nisoratra anarana hianatra ny Tenin’Andriamanitra.

dsc_0878 dsc_0740
“Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39). Teto amin’ity Tanàna ity no nanaiky ny hitobianay, hanaovana ny fandaminana rehetra
dsc_0726 dsc_0763
Atao ny fiomanana am-bavaka isa-trano mialohan’ny andehanana miantafika Miomana miaraka ihany koa alohan’ny hiainga
dsc_0947 dsc_0886
Vonona hatrany na dia sarotra aza ny lalana
dsc_0794 dsc_0796
Ampaherezina amin’ny tenin’Andriamanitra sy vavaka ao an-tokantrano ny marary Itoriana ny Soratra Masina eny an-tokontany ireo ankizy milalao
dsc_0826 dsc_0830
Eny am-panasana lamba dia efa mandeha ny dinidinika Na dia eny an-tanimboly aza dia afaka mandray ny Tenin’Andriamanitra ny olona
dsc_0859 dsc_0864
Izay tsy afaka mandray any an-tokantrano dia izaràna eny ivelany Azo atao tsara ny miresaka isam-batan’olona
dsc_0744-2 dsc_0790
Amin’ny Takariva dia asaina ho tonga hijery Horonan-tsarimihetsika karakarain’ny Feon’ny Filazantsara ireo avy notoriana ny tenin’Andriamanitra tamin’ny maraina sy ny atoandro Tombony ny fahatanoràna, teo indrindra Jesosy no nanao ny Asany rehetra

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s

%d bloggers like this: