NY FIANDRASANA AN’I JESOSY


Misy karazany roa ny fiandrasana an’i Jesosy: Fiandrasana ny fihaviany voalohany, ary ny fiandrasana ny fihaviany faharoa.

« Indro, efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » Apokalypsy 3:20

– 1/ Ny fihaviany voalohany dia efa tanteraka, ary io no andro krismasy. Tamin’ny fahalemem-panahy no nahatongavan’i Jesosy satria zazakely no nomena ho antsika. Ny andininy ao amin’ny Apokalipsy 3:20 milaza an’i Jesosy Fanahy te hiditra ao anatintsika, te handray anjara eo amin’ny fiainantsika, amin’ny fahalemen-panahy no hanaovany izany. Mandondona Izy. Mety tao anatintsika Izy nefa navoaka noho ny fahotana.
– 2/ Ny fihaviany faharoa, tsy amin’ny fahalemem-panahy intsony fa amin-kery sy fahefàna hitondra ny sabatra fitsarana eny an-tanany, ka tsy hisy indrafo intsony. « Koa miomàna kosa hianareo: fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny zanak’olona » Matio 24:44
Ny fiomanana tsara atao? Fikolokoloana ny Fanahy ao anatintsika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Tenin’Andriamanitra, ny fibebahana isan’andro ho fitehirazana ny Tompo ao am-po. Raha ao amin’ny Tompo isika, na maty na velona dia isan’izay hitsena Azy eny amin’ny rahon’ny lanitra! Mahereza. Ho avy faingana ny Tompo.
Jesosy Kristy Tompo mampahery anao

Feon’ny Filazantsara
‘Manambara an’i Kristy amin’ny firenena … ary mitarika ny firenena ho ao amin’ny Fiangonana’
Tél:
22 210 42
034 20 635 53
032 54 635 53
033 15 635 53
E-mail : lhmmad@blueline.mg
Site Web: http://www.feonyfilazantsara.org
Facebook: Feon’ny Filazantsara

Raha nanohina anao ity toriteny ity na misy fanamarihana manokana tianao hatao dia tsindrio ny “leave a comment” eto ambany, avy eo manorata eo amin’ny “enter your comment here”. Misaotra betsaka.

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :