FLM Tanjombato Fiadanana Ararata

Fampahafantarana ireo nandray anjara tamin’ny fampiofanana “Fampitaovana ny olona masina” Ho tohin’ny fampiofanana nokarakarain’ny Feon’ny Filazantsara (FF), niarahana tamin’ny Fitandremana Tanjombato ny 10-11 Novambra 2016, izay nahitàna solon-tena nandray anjara fito isa-piangonana; dia nisy ny fanehoana azy ireo teo anatrehan’ny Fitandremana ny Alahady 18 Desambra 2016. Izany dia notanterahin’ny mpiara-miasa avy ao amin’ny Foibe FF […]