Programan’asa fanasoavana


Fonja, Toby FLM Nenilava, Akany Avotra Faradofay

Enga anie isika mba hanana Baiboly sy Fihirana atolotra ireo voafonja maro be ka hahafahan’izy ireo mianatra ny Tenin’Andriamanitra. Ny Lehiben’ny Fonja Faradofay dia anisan’ireo niangavy ny Talen’ny Feon’ny Filazantsara (FF) ny hanolorana vary ireo voafonja miisa 100 ao an-toerana. Tanteraka soa aman-tsara ny volana Janoary 2017 teo izany, fotoana izay noararaotin’ny Feon’ny Filazantsara koa nanehoana tamin’ireo voafonja ny halehiben’ny Fitiavana sy ny fikarakaran’Andriamanitra azy ireo. Toy ireo voafonja dia nisaotra an’Andriamanitra sy nankasitraka ny FF koa Pastora Idéal Tozaka Mpitondra ny Fitandremana Toby FLM Nenilava Faradofay tamin’ny Tenin’Andriamanitra nentin’ireo mpiara-miasa ao amin’ny FF ho an’ireo olona nahatratra 600 tonga tao amin’ny Toby sy ny anjara vary nomena azy ireo. Ankoatr’izay, tsy diso anjara tamin’ny fanomezana vary koa ny akany Avotra izay mitaiza sy manabe ireo ankizy sahirana miisa 30 eo ho eo. Lehibe ny Tompontsika satria tsy mitrahatra ny mitsinjo sy mikarakara ny olony izy.

dsc_0489
Atoa Talen’ny FF, Andriamanjaka Daniel no nanolotra ny fanomezana
teo anatrehan’ireo Kristiana tao amin’ny Toby
20170113_100648 20170113_105603
Nizaràna vary ireo voafonja Nahazo ny anjarany koa ny tao amin’ny Akany
Publicités

Publié par filazantsaramada

Feon'ny Filazantsara

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Google

Vous commentez à l'aide de votre compte Google. Déconnexion /  Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :